Mba saino ihany... (Lahatra Natiora)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba saino ihany ...

Ianao izay sondriana amin'ny fiainan'ny tany
Ny eto tsy haharitra mandrakizay
Ny fiainam-panahy re mba saino ihany
Dia ny eo an-kavanan'ny tanan'ny Ray

Aza variana amin'ny zava-mandalo
Ny eto tsy ho ela dia ho rava sy ho lo
Fa masiaka loatra ilay fahavalo
Mamotraka anao, na saina na fo

Aza mitompo amin'ny vola sy harena
F'ireny tsy hahavonjy amin'ny fotoana farany
Fa ho avy ny ora izay efa voatendry
Hanangonan'ny Tompo ireo olo-malalany

Koa saino ihany 'zao hafatro izao
Mivavaha, mibebaha, miadia ny ady tsara
Ankino amin-dRay ary ny lalanao
Ary aza ela fikenona fandrao dia ho tara

Lahatra Natiora, 30/07/2021
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
448 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 18/09/2022 19:05
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144