MANAOVA NY MARINA (Lahatra Natiora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAOVA NY MARINA

Manaova ny marina ombam-pahendrena
An-tsitra-po, tsy mba terena
Fa ny marina atao tsy ho faty na oviana
Hiotazan-tsoa rehefa any aoriana !

Ny manao ny marina, tsy zava-mora ;
Ao ny tsy faly sy 'reo mpanakora ;
Ka aoka tsy ho kivy na maro mpanenjika,
Fa ny olo-marina tsy mba ho rendrika.

Koa herezo ny saina hanao ny marina,
Sikino herim-po fa tsy maintsy ho tafarina !
Ho sambatra ianao raha izany no tò
Ho feno hafaliana sy fiadanam-po!

Manaova ny marina raha tianao ho tsara
Ka ny ho avy mamiratra no aoka hanambara
Fa ny marina atao, levenam-bola !
Harena sy ampinga 'zay tsy mba ho tola !

Lahatra Natiora, 17/01/2020
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 24/02/2021 09:22
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141