Fa Nahoana Kosa Nahoana R (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa Nahoana Kosa
Nahoana Re Ry Tany
Nahoana Re Ry Fiainana
Nahoana Kosa
No Mitady Handazo Ity Raozy
Nahoana Moa
Nahoana No Manimba

Mandratsy Sy Mamotika
Toa Mitady Handrotika
Mandrava Ny Hatsarana
Hatsarana Lafatra
Lafatra Sy Soa
Nahoana Ré

Toa Hanimba Izany Avandra
Mandrovitra Ny Rivotra
Manongotra Tafiotra
Mandrava Ny Tselatra
Mamono Mahafaty

Nahoana Ré!
Nahoana Kay!
Fa Nahoana Loatra!
No Mitady Ho Sompatra
Mitady Handrotika
Manimba Ny Tsara
Handrava Ny Voaorina
Ilay Raozy Tsara Karakara
--------
Rohy:
762 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 06/12/2016 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141