Gasikara (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sola aho ity
Zara raha misy mpitia
Antitra aho
Tsy mba toa anao
Toa zary nofy sisa ny taloha
Ireo fitafiko kanto sy soa
Niova avokoa
Hatramin'ny nify tsisy intsony
Zara raha mba misy hihy
Hitsikina sy hiomehezana
Efa godraka sy reraka
Mametsovetso sisa
Mandrevorevo ireo vita
Ny lasana rehetra hatramin'izay
Ny endriko miramirana sy lafatra
Toa niova ho ankamantatra
Ny zava nisy rehetra
Toa nofy sisa zay va fetra?
Mba miezaka mikarakara tena
Nefa indrisy efa lanaka
Mba mikolokolo ny taranaka
Efa vizana sy trotraka
Tsisy azo atao fa niboraka
Niboraka ny tady izay namatotra
Kentrona sy lany
Indrisy re ry tany!
Lain's rakoto
05-10-16
21:06
--------
Rohy:
752 1
Mpakafy: naje
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 17/10/2016 06:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014