neny (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy foiko eto an-tany
ilay neniko izay
Neny malala voaloham-pitia
Nanabe nitaiza
Nizara fitia
Olon-tiako voaloha teto an-tany
Mampahery ahy raha sendra tomany
Neny malala tsy foiko
Tia ahy foana na jiolahim-boto
Olon-tia ahy no sady tsy foiko
Ry neny tiako
Mpanitsy diako
Mampitraha raha sendra toloko
Neny malala tsy lany fitia
Mendrika anao ny amboaram-pitia
Neny malala mpanampy foko
Olon-tiako voalohany
Mpitsabo ratrako
Nanoroka molotro
Mpanantanteraka ny nofiko
Ry neny tsy foiko
Mpamonjy ny foko
Lain's rakoto
06:20
22-10-16
Neny
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fitiavana
919 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 24/10/2016 07:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109