TAO AMPANDRIANA (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io diavolana ioa
Manintona hikalo
Hikalo izany hatsaranao
Ilay hatsaranao tsy manam petra
Miavaka amin'ny voary rehetra
Toy ny lisy an-jaridaina
Tsara sy mendrika tokoa
Ny endriky ny molotrao roa
Tahaky ny raozy vao mamelana
Manintra sy maha te ho tia.
Tiako horohana foana
Tsy lany hamamiana mandavan-taona
Ny vatanao miendrika gitara
Kanto sady lafatra tsara
Ny endrikao rehetra
Toy ny volamena ravahana diamondra
Alofan'ny volonao misahondrahondra
Mambabo izany foko
Mafy te hanonja
Toa diavolana mitondra ahy ikalo
Hamariparitra ny hatsaranao
Ho fantatr'izao tontolo izao
LAIN"S RAKOTOASIMBOLA
"DIAVOLANA"
--------
Rohy:
Sokajy : embona
803 1
Mpakafy: Jemmy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 14/09/2016 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139