afo (lamour)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sendra tselatra niseranatanaty ora tsy nampoizina
dia zary dotra fanamperana
satry foana hotohizana
afo kely 'zay tavela
notsofi-ndrivotra nandalo
tonga doro haharir'ela
nampiherika mpandalo
nanotohoto ny tontolony
nanova bika ny lalovany
ary tsisy'zay ho solony
satria mafana ilay lovany
na orambaratra mitraho
na rivodoza misafoaka
ilay afo mbola ao
latsa-paka tsy mivoaka
mety ho maizina eto imaso
mety hangina raha henoina
mety ho leman'ny ankaso
mety saronana lotoina
fa 'lay afo tsara trano
tsy matahotra angano
sy 'reo loza mpivahiny
f'izy manana ny tiany
afokely tsotra ihany
ilay afon'ity foko
efa kotsan'ny tomany
mbola manafana toko
afokely tsotra ihany
ity afon'ity foko
manimanina 'lay any
'lay hanina misoko.
afokely tsotra ihany
....
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana