You are here: home > Vetso

zarako.. - lamour

Azo vakiana?

zarako aza avy ny erika
hamonto ity tavako
mainan'ny alahelo
nilaozan'ny fitiavako
lasana tsy niherika

zarako aza avy ny orana
handena ity taniko
mainam-pahatrana
'zay zary tonga helo
sy tsy manan 'hisalorana

zarako aza avy foana
'reo tsiokan-drivotra malefaka
hamelombelona fanahy
f'ity aiko efa trotrakin' ny
ezaka sy ahiahy.

zarako...( mbola hitohy)

lamour

Mombamomba

Mpanoratra : lamour

Nampiditra : litamour
Daty : 11/11/2008
Mpamangy : 807
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

tsy niniany
nofofoiko
ny taniko.
ny antitra.
lany
izy ...nandalo.
aza mangina
halatra?
nankaiza..?
hivavaka