halatra? (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
halatra hoy ianao
nefa resaka mitovy
tafa mifandray
vetso miara-dalana
sioka miombom-peo
kalo miray rindra

halatra hoy ianao
nefa moa mba zovy
no olona ho sahy
haka tsisy alalana
raha hita akaiky eo
'reo mpitandro sy mpandrindra

ny halatra razoky
dia 'reo vola ts'hita
lasan'ny boloky
netiny any am-pita

ny halatra ry akama
dia 'reo harenantsika
fongana tsy tana
manjavona mitsika

ny halatra ry anona
dia 'reo zavatsoa
nodoran'ny tsy vanona
'zay ripaka tokoa.

halatra hoy ianao
nef'izaho mba taitran'
itsy rafitra sy tenona
mendrika sy meva
milaza sy mampita
ny aty lalina any.

halatra hoy ianao...
asa aloha sakaiza
iza no mpangalatra?
f'izaho dia mpandalo
ary koa mba mpindrana
mamerina ity kalo

tsy halatra fa vetso

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 07/11/2008 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102