ny taniko. (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy hamidy tsy atakalo
f'handrianina s'hajaina
tsy omena 'zay mpandalo
fa ho lovain'ny sombin'aina

tsy vahiny sanatria
no hifehy sy hitondra
f'ireny mety hiova dia
mety handroba ireo diamondra

ny an'ny hafa ve lanjaina
fa ny antsika dia hitsahina?
sanatria tsy eken'ny saina
raha mbola endrim-panjanahana.

ry sakaiza mifohaza
mijoroa sy misehoa
aza mety hatao hoe zaza
fa lehilahy misy ambom-po

tsy 'zay vola na harena
no hivarotana 'ty tany
f'ireo vatosoa sy volamena
samy antsika jiaby 'zany

ka tsy hamidy tsy atakalo
tsy omena 'zay mpandalo
fa tanintsika ,tanindrazana
tsy omena ireo mpitazana.

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Ady
1260 1
Mpakafy: litamour
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 24/11/2008 13:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161