izy ...nandalo. (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nandalo 'lay sakaiza
nivingitra ny alina
nisakelik'alahelo
nibaby ahiahy
niloloha tahotra
nisakambina toloko
kotsan'ny tomany...

nandalo ilay namana
ny feony efa fotsy
ny masony efa mena
ny tavany efa hatsatra
ny ranjony efa mavo
ny molony efa kiana
rotiky ny hanina...

nandalo 'lay mahantra
nilaozan'ny rehetra
halan'ny tontolo
nakifiky ny maro
nenjehin'ny mpitondra
latsain'olom-pantany
motsam-pahoriana...

nandalo dia niserana
tsy hijanona intsony
nijery faramparany
'reo asany fahiny
'reo vonikazo mamimy
dia hanohy ny diany
ho any lavitra any
hanjohy 'lay anjarany...

nandalo fotsiny ihany
( ho an'ilay namana lasana niampita fa tsy tana noho ny hetraketraky ny fiainana).

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 14/11/2008 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269