aza mangina (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza mangina ianao sakaiza
raha hibaboka fitia
raha hitory hafaliana
fa lazao hatraiza hatraiza
ambarao fa hoe doria
ary tsy lany hamamiana
'raha fitia tena fitia.

aza mangina izao sakaiza
raha hitory ny ao am-po
raha hamosaka ny marina
fa lazao hatraiza hatraiza
ambarao fa hoe tsy lo
tsy mba sarotra takarina
ny fitiavana mifoha.

aza mangina ianao sakaiza
raha mbola misy fo mitempo
rah misy saina miantsampy
fa lazao hatraiza hatraiza
ilay ianao mbola miempo
manompo azy ho toy ny sampy
fitia miafina tsy refo.

aza mangina ianao sakaiza.

( valim-betso ho an'i ARD)

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1092 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 10/11/2008 12:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01