nofofoiko (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nofofoiko hatry ny ela
ny hitoetra anilany eo
saingy indrisy rava teo
nofy sisa mba tavela

nofofoiko hatrizay
ny hamihina ny fony
saingy indrisy ts'hita intsony
f'efa kila sady may

nofofoiko hatramin'izao
ny hilaza hoe doria
saingy indrisy ilay fitia
'zary takona sy lao.

nofofoiko ny handresy
'reo hetraketraky ny tany
saingy indrisy fa tomany
no hany sisa mifanesy.

lamour
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1017 0
Hevitra mandeha
tiff ( 14/03/2009 11:36)
romantika tsara sady mahita hevitra fona enao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 10/12/2008 10:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139