any ankoatra (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'reo tsiahin'ny omaly
nindaosin'andro sy fotoana
'reo sarin'ny taloha
noraiketin'ny tsiahy
mbola injao mitempo foana
miverimberina ao an-doha
manaitaitr'ity fanahy
te hitafa sy hamaly...

'reo lasana any ankoatra
nindaosin'tsento lavitr'any
'reo malala tsy himpody
mitazan-davitr'etsy ambony
mamohafoha 'ty tomany
maniry ho any te ho tody
manetsi-po tsy mety tony
mikotaba sy mitroatra...

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 02/11/2008 10:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137