hivavaka (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hivavaka aho anio hidera sy hisaotra
an'ilay mpahary, mpizara sy mpandray
hivavaka aho anio hilaza sy handoatra
'reo vesatry ny foko maniry hampiray
'reo saraky ny taona
'reo saraky ny tany
'reo saraky ny ady
'reo saraky ny fonja

hivavaka ihany koa
ho an'ireo moana
ho an'ireo tomany
ho an'ireo mitady
na iray minitra monja
maniry vavahady
maniry fahafahana
maniry fahalalahana
maniry fiadanana
ka hianoka sahady
dieny eto an-tany
'lay any an-danitra any

hivavavaka aho anio hiantsoantso mafy na tsy manam-peo
ho ren'ny vahoaka monina mitoetra eo anivon-danitra
ho an'ny rehetra
ho an'ny mpitondra
ho an'ireo manana
sy ho an'ny mahantra
fonjan'ny toreo.

hivavaka aho anio

lamour
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1117 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
sarondrahona ( 08/11/2008 15:44)
Mivavaha kanefa
aleo ny feonao ho mafy noho ny mafy
fa ny tanintsika
tototra vahoaka
mandefitra sy mihafy
fa tsy afaka manoatra;
maro fo mitia
tsy honina eto an-tany
fa maika ny ho any ankoatra;
noho ny fijaliana !!!

ka mivavaha ianao
ary mba tsarovy
izao fiangaviako izao :

ento am-bavaka any
ireo vontom-pahoriana
tsy misy sahy miantra;
ento am-bavaka any
ny onjam-pahorian'ny
ory sy mahantra

mivavaha ianao
ary mivavaha ho an'izao tontolo izao;

mba hisy fiovana

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (032 62 897 51)
litamour ( 10/11/2008 12:59)
ny maraina vao mifoha ,
ny atoandro ihany koa,
injao ny foko fa tsy tana
maniry mafy ny hitroatra
dia mandroatra
miherikerika fijery
toa manirery
tsisy mpiahy
toa fanahy
lavitry ny fitoniana
fonjan'ito fahoriana
mangeja sy mamono
'ty fanahy
mitady mpiahy
ka ny vavaka no asesika
ny fanahy no asaina mihetsika
hanovitrovitr'itsy lanitra
hampitodika ahay
ireo mason'Andriamanitra
toa variana any hoa any
tsy mahita ny eto an-tany
efa rotiky ny afon
ireo loto sy hadalana
efa hoto sady safotry ny fahantrana.
iza no hoemana tsiny?
zovy no omena loza?
f'isika rehetra mpivahiny
tsisy honina hitoetra
tsisy tompony fa mpindrana,
tsy mpihary fa mpitantana.
nefa indrisy fa mivantana
ny fisehoana ho mpifehy
sy mpitondra ny tontolo
hay ampitso dia hisolo
hody vovoka ihany
mbola hiverina ho tany
toy ireo efa lasana
nialokaloka any am-pasana.
ka ny vavako tsy hiato
ny antsoantsoko ts'hitony
fa ataoko toy ny mpanarato
tsy mangina 'zato fony
raha tsy feno itsy lakany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 06/11/2008 15:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3127