hadinonao ? (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hadinonao angaha 'lay tahotry ny ainy
'lay hovitry ny fony
tsy sahy nilaza akory
'zay antony sy fototr'ito
molony nangina?

hadinonao angaha 'lay maminy lalainy
miboika tsy nitony
netiny am-pandriana
netiny matory
toa lanitra fahafito?

hadinonao angaha f'izy mbola miady
hanapak'ireo tady
mamatotra mamonja
zary tonga fonja
ts'hahitany intsony
'zay be ao ampony?

hadinonao angaha 'reo kalony fahiny
manako akehitriny
miantso sy motroatra
manery azy hiloatra
f'izy mbola lonaka
aminao ry kala tonaka?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
865 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 30/10/2008 10:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161