hanina (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny hanina anareo sakaiza
toy ny rivotra sy erika
ka mifafy sy mandena
ny aty fo sy saina
'reo mpandalo aza miherika
manontany ny aiza
'ty olona lalaina
fa 'ty masonao jambena?

ny hanina anao malala
toy ny lanitra sy tany
ka manjohy 'zato dia
manjokozoko avy ato aoriana
manetsiketsika vinany
mamery saina toy ny adala
'zato fo mbola tia
lasa embona ,variana.

ny hanina anao ry taniko
toy ny rano sy havoana
mikotaba avy eo mangina
toa mihaino sy mijery
'zato fo toa misaona
mamakivaky 'ty diariko
feno tsiahin'olon tiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
939 0
Hevitra mandeha
Sohitika ( 28/10/2008 13:04)
Tsara le izy Lamour!mahafinaritra, tohizo an.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : kotobalita
Daty : 27/10/2008 09:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135