ny kaloko. (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity rangotry ny foko
atosako hiboika
hanotsaka ny any
hijojo toa orana
hamonto ito tany
hameno sy hampihika
'reo mainan'ny toloko

ity hiran'ity aiko
atsangako hijoala
hanakatra ny ambony
hilaza 'zay hitany
'reo fo tsy mety tony
'reo saina adala
'reo sandry 'zay mibaiko.

ity vetson'ny fanahiko
mikiaka tsy mangina
mampita ny hafanany
hanenika 'lay nofiny
mitety vazan-tany
hanorok'olon'tiana
anatin'ny tsiahiko.
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
972 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 29/10/2008 16:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138