satriko (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
satriko ihany hianoka reo nofy
natosiky ny alina
nandrakotra ny saiko
'zay naniry hitosy
sy naniry handalina
ny mamiko lalaiko

satriko hiteny tsy miato
'reo bitsiky ny foko
mbola mitambolona
in'arivo fa tsy zato
henoko misoko
manery sy mitolona

satriko sakaiza
saingy tahotry ny loza
manodidina ahy
manjohy hatraiza hatraiza
manao rohifoza
tena mampanahy

satriko ho akaiky
ny isika mbola misy
ny fitia mbola ao
fa 'reo ady mampiaky
mandringana indrisy
izay tiako atao

satriko hitohy
ny tsikim-pahafahana
ny kalo sy fitia
nefa io manjohy
basy tsara fahana
manapaka dia

k'aleoko ianao mba any
milamina sy tony
lavitry ny ady
na dia hoe tomany
maniry mba hitafa
lavitry 'ty fo
vonona tokoa
hivazavaza mafy
ary hanamafy
fa mbola tia tokoa
fa tsy afaka mitroatra

satriko rahavako
saingy ity vavako
tadomin-doza lava
tsy mbola mety tony
k'aleo ianao mba velona
henoko mikalo
na dia lavitr'any
toy 'zay mivesatra
'ty tahotry ny fianako
mitambesatry ny ady...

ilay mbola tia.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
860 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 15/10/2008 09:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143