tsaroako. (lamour)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsaroako eto indray
'lay isika nihomehy
nifanakalo sary
nifampizara kalo
nanafina tarehy
ts'ho hitan'ny mpandalo
ary nifampirary
hiombona ho iray

tsaroako ihany koa
'lay isika nifamaly
nifanolo-tsaina
namosaka ny miafin'
ireo tsiky sy 'reo jaly
ary vonona hanafy
'zay ho entin'ny maraina
dia niombom-po

tsaroako foana ireny
tsaroako hatrany harany
'reo hira sy 'reo teny
'reo tsiky sy tomany
mbola henoko injao
manako anatiko ao
tsaroako sombin'aiko
ary dia lalaiko
raha mba tsaroanao
'reo tsiahiko hatrizao
'reo tsiahintsika
'reo mozika
'reo vetso nifandraisana

lamour.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
910 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lamour
Nampiditra : litamour
Daty : 05/11/2008 16:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096