Iandrasako Fa sarotra in (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iandrasako

Fa sarotra indrindra ny mitia
Eny, ny hotiavina ihany koa
Fony isika nisaraka ny dia
Mbola lasa aho nitady ny soa
Iza ary ilay nanitsaka làlana
Izay tokony nolalovantsika
Hisaorako azy na tsy nifarana
Ny foko ito mangatsiaka
Asa raha tadidinao ilay teny
Hoe: tiako ianao mandrapahatapitrin'ny fotoana
Dia iandrasako ny faran'ny fotoana ijanonako hitia anao....
Oviana ary hifarana ity fotoana....


Lee Andrianalaina
05juillet 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099