Iny toerana iny (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny toerana iny....



Toera-mamy tokoa..
Ka tiako tantaraina

Fa indrisy ka nilaozana
Fotoana manam-petra
Niambohona ka tsy tazana
Ireo tsara vita rehetra
Tsy anjara fa voatendry
Tsy ho ahy fa kisendrasendra
Ilay foko nody hendry
Nefa rakotrin'ny avandra

Iny toerana iray iny
Andalovako eny foana
Nahitako ianao fahiny
Nanopy maso manoloana
Fa tantara ireny sisa
Mandalo iany ka afenina
Tsy ambara n'iza n'iza
Efa tapaka tsy atenona

Fa ity foko mbola mino
Ny ho anjaranao iny
Ny saiko koa tsy nanadino
Mandrak'ankehitriny
Kanefa fefy tsy azo oharana
Vavahady rindrina tokoa
Fa mbola lohan'ny laharana
Ny hamafy anao ny soa

Lee Andrianalaina
22 Août 2021
--------
Rohy:
413 2
Hevitra mandeha
hery ( 27/08/2021 18:17)
Noezahiko novakiana fa tsy azoko ilay paragraphe voalohany io.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 24/08/2021 08:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147