Manam-petra Efa hatrany (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manam-petra

Efa hatrany ampiandohana
No tokony efa fantatrao
Fa tsy maintsy hisy fiafarana
Ilay famololom-boninkazo
Tsy maintsy ho levon'ny orana
Ireo felam-boninkazao sarika
Izay tsy hazonao hofatorana
Fa vaventy no masika
Ka toy izany koa ny fitiavany
Izay nomeny anao rehetra
Nariany ary tsy notadiaviny
Fa fitia manam-petra💔
No tsiro manam-piafarana
Fa efa akaiky ilay niandrasany
Efa mandindona sampanana
Ka adinoiny ireo lasany

Fa ny anareo fitia manam-petra...efa fantatrao hatrany am-piandohana....



Lee Andrianalaina
05juillet 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 12/07/2021 10:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015