You are here: home > Vetso

Matsatso - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?


Matsatso

Raha ilay tiana sy mamy
No nandao ka tsy hita
Bongon'ny sento tomany
Tsisy zavatra ho vita

Ny fo satrotra ampingina
Ny saina tsy mety ho tony
Manantena fona hofihinina
Mitady tanana hampitony

Ny andro lasa mitamberina
Ireo sampanana nodiavina
Tsy ho voafafa na kosehina
Manantona fona na nolavina

Ny maso bongon' tomany
Ny tava toa feno ranomaso
Mitady azy hatrany hatrany
Fa ity fiainana matsatso...


Lee Andrianalaina
04jolay 2021