Nankaiza..... Nankaiza i (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza.....

Nankaiza ilay tsiky
Fa toa tsy tazana
Sento sisa ry iky
Sy ranomaso tatazana

Nankaiza fifalina
Sy endrikao miramirana
Toa lasa tsy nahalina
Ianao nisompirana

Nankaiza ilay voady
Izay natao hatrizay
Sa rava ka lasa ady
Mandoro mahamay

Rahona manjombona
Haizina tanteraka
Toa tsy mitombona
Nankaiza ilay fitia...

Any anatinao any
Mila tsy hitepo intsony
Vonton'ny sento ka tomany
Nankaiza tsikinao fahiny

Nankaiza ilay fifankatiavana
Toa nanjary famahavaloana
Trotrakin'ny sento ianao rahavana
Fa resy tsy nahita azy manoloana


Sento Lalina(D-J-L-A)
10juin 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
230 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146