You are here: home > Vetso

Tsia - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

      Tsia


Angamba tsy sambatra
Raha mbola ity tany
No entina misantatra
Ny sento sy tomany
Tompo รด, ho hafaliana
Ho ahy indray andro
Omenao izay faniriana
Hizorako ny lalako
Tsy olona hahasambatra
No tadiaviko Andriamanitra
Fa olona iray hotiaviko
Mandrapahatapitr'ity fotoana


Na fijaliana sy fahoriana
Ampitondrain'izay anjarako
Tsy manahy fa iafina
Fa izay no hasambarako
No sento lava sy tomany
Manjoy ity fo torotoro
Ifaliako hatrany hatrany
Ilay afo efa nandoro
Sanatria aho hitaraina
Amin'ity voninkazo adala
Maniry an-tany karakaina
Toy ity foko roahina tsy miala

Tsy voatery ho eo anilako
Izay hotiaviko ry Raiko
Fa rehefa novaliany ny fitiako
Hahasambatra ny aiko
Raha sanatria aho very
Mba tantano re ry Tompo
Aza avela ho irery
Mba sitranonao ty foko

Ilay notiaviko hatrizay
Indrisy mampitondra mangidy
Fa hiafiko na handrakizay
Mba ho tsapany fa fitia lafo vidy
Ny ao am-poko ka tsy faty
Tsy ho levon'ireo fotoana
Fa hihamaro atsy ho atsy
Ka hijoro manoloana

Hisaraka nefa nahoana no niaraka
Tsia , na hanalavitra ahy ianao
Ho tiaviko tsy avelako ho raraka
Ilay fitia ao anatiko ao....


Lee Andrianalaina
11 Aout 2021