You are here: home > Vetso

Tsy hampitony akory Na d - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Tsy hampitony akory

Na dia misy olon-tiana hafa
Tonga hanakely ny alahelo
Tsy hahafafa akory ny lasa
Fa hizarana  tsiambaratelo

Na hanamivana ny sento
Ny fisiany eo anilako
Tsy hampitony fa mitepo
Hoanao ny hirahirako

Na ho tonga ny ririnina
Hodimbiasan'ny haintany
Na hiezahany hofihinina
Fa mitepo anao hatrany

Na hamiratra ny masoandro
Hanafaka mba tsy ho ory
Mahatsiaro anao isan'andro
Tsy hampitony fo akory


Lee Andrianalaina
06 juillet 2021

Sokajy : Alahelo, Fitiavana