Tsy sahy Nisy hery iray (Lee Andrianalaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sahy

Nisy hery iray
Nanarona ny foko
Mitepo ho anao
Sy andian-toloko

Iny fitsikinao iny
Tsy mifafa an-tsaiko
Mandrak'ankehitriny
Tsy mety tony ny aiko

Ny ao am-po mitaraina
Ny mba hamborahako
Fitia mihatra aman'aina
Kanefa toa tsy sahiko

Tsy sahy aho satria
Sao hisy fandavana
Ka ho ratrako odoria
Raha izany re rahavana

Sao ho potika sy lefy
Ilay fo feno sento lalina
Anarina fa tsy mety
Irery ao anaty alina

Lee Andrianalaina
07 juillet 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 10:28
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103