Voasedra (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voasedra

Nosedrain'ny fiainana
Ity fitiavako ka ory
Very hika fitarainana
Very sento miari-tory
Sento lalina
No sisa mba manenika
Ka satriko dia satriko
Any antany aho hilentika
Fa voasedra vo voasetra
Ity fiainako ry lala...


Ora maro fisentoana
Andro maloka ihany
Tsy mba misy fitrakana
Fa sento sy tomany
Ry Ray ao an-danitra
Mino aho fa tianao
Hoanao ny voninahitra
Alaivo aho raha sitrakao
Ho eo anilanao ny fanahiko

Eny e, resinao aho ry sedra
Redirediko tsy miato
Sento lava tsisy fetra
No iainako , indrisy.....
Angamba,..redirediko tokoa
Mendrika ahy ve ho faty
Nefa nampanatena soa
Fa tsy fitia poak'aty

Ifonako re ry Andriamanitra
Helokin'ilay fanahiko
Omeo saina maranitra
Handreseko ahiahiko
Ity fitiavako voasedra
Mahasoa matoa natanao
Fa tsy hoe kisendrasendra
Koa misaotra ry Raiko
Raha izay no lahatrao
Ankiniko aminao ny aiko
Raha diso mba iantrao


Lee Andrianalaina( Sento Lalina)
08 Aout2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
353 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 08/08/2021 14:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128