Anio fotsiny ihany (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio fotsiny ihany !

Lonaka aho anio,
ka namokatra fitia,
tsiky, hafaliana.
Haofako, hampindramiko,
hamidiko aminao
Eny ! Mety ho foiko koa
Raha ho mendrika azy ianao
Fa ho anio fontsiny ihany

Ireo tsikiko
izay niery tany ho any
toa nitobaka aok’izany
Angamba!
voatondrak’ireo
sentoko sy tomany
Koa hampindramiko mba
Hampitsiky anao hatrany
Fa ho anio fotsiny ihany

Ampoka fitia ny foko
Ka hamidiko aminao
Amin’ny vidiny mirary
Nefa asa re! Raha ho sahinao?
Aza diso miady varotra
F’ efa mora loatra
Ka sao aho hitraotra
Fa ho anio fotsiny ihany

Inty ny tanako,
ka raiso.
Haofako aminao
Hanafosafo , hamihina anao,
hanotra ny lamosinao,
hisintona ny ankanjonao
ny volom-bavanao, ny volonao
Fa avereno amiko ihany
aza hidongianao
Fa ho anio fotsiny ihany

Nandrianina Maevatiana (Maeva74) 14-09-2010
--------
Rohy:
1841 1
Mpakafy: maeva74
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148