You are here: home > Vetso

ILAY TOPI-MASONAO - maeva74

Topi- maso


Nitsahatra aho ny tsy hitia
Eny ho mandrakizay doria.

Ilay tsikinao sy ilay topi-masonao niantefa
Nanaitra indray ny tany am-poko
Izay niniako tsy hitodika
Hitepo ho an´olon-kafa intsony,

ilay topi-masonao malefaka
Sendra voadiniko tsy nahy
Nampisamboaravoara indray ny fiainako
Nampitroatra ny tao anatiko,

Fanafody , ilay topi-masonao iny
Nitondra ho ahy ilay fanafana
Nanasitrana ilay fery namela holatra
Noratrain´ilay notiaviko fahiny,

Sitrana aho ankehitriny, adinoko ilay taloha
Tojo ilay topi-masonao niantefa tamiko
Vonona aho ny hiara-dia, ary hiriako mba ho doria
Tsy nosainiko akory hoe “ Izaho mbola hitia”

Iny topi-masonao iny no nampifoha indray
Ilay fitiavako natory noheveriko tsy hifoha.


Maevatiana “ Brésil 6 avril 2010”

Hevitra mandeha

fitiamirana (09/04/2010 18:52:09)

Dia tsy sasatra manaraka andry aty koa hany za e!hahaha !Dia mbola ilay napetrako ho setriny fa amin'ilay somary kivikivy no apetrako eto e!:-))


Toa nofy sisa hono...

Maso tena anatin'ny maso
Tsiky sy fitia miharo ankaso
Sady olo-tiana no lasa namana
Sady malailay no tsy azo tànana

Inay aho ilay ranomasonao
Mikoriana sy mikasoka aminao
Ilay jery taratro sy tokako
Ilay banjiniko sy masoandroko

Tonga nofy tanisaina monja angamba
Lasana nifindra lasy sa niha-jamba ?
Maso tsy mahita ,tampin'alahelo
Managantrangatra toa avelo

Soa Maevatiana tsy toa ahy
Tsy kivy sy ketraka fa sahy...

FMT (8 avril 2010)

maeva74 (19/06/2010 05:53:32)

Mankasitraka foana amin' ny rehetra

Hametraka hevitra

Midira aloha