Gasikarako! (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasikarako!

Ianao ilay tany niaviako,
Tanindrazako lalaiko
Ianao ilay tany mamiko,
Ihanjadian´ny fahoriana
Eny, ao koa ny fijaliana
Hivavaka aho mba ho anao,
Mba hitondra fahafahafana
Izao fotoana izao.

Tsy misy azoko atao
Hampitony ny hirifirinao
Ny hany azo atolotro
Dia ny vetsoko , ny soratro
Ianao no andrandraiko
ka ho karakaraiko
Ianao ilay tany masiko
Ho avin´ny taranako

Na nisalotra ny fiavian´ny hafa aza aho
Dia tsy hoe akory rehareha izany
Nandao anao tsy satry aho
Nohon´ny fitadiavana hatrany
Ny foko sy ny fanahiko
Tsy mitsahatra ny mivetso ho anao
Amin´izao ora hikaloko izao
Madagasikara, tsy atakalokoan´iza ianao
Izaho efa anao

Raha nandao anao aho
Tsy hoe akory foana ny fitiavako
Ianao ilay tany masina sy lazako
Tanindrazako tsy foiko, voahasina
Tany nahalatsahan´ny tavoniko
Teraka aho Malagasy , maty aho Malagasy
Na dia hoe " Vazaha taratasy"
Ianao no fiandohako
Ary ianao koa no mbola ho fiafarako
Ry Madagasikara mamiko
Maeva74 Brésil , 1 avril 2010
--------
Rohy:
2017 3
Mpakafy: maryline - maeva74 - logan89
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153