HETRAKETRAKA (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno hetraketraka ny fiainana eto an-tany
Zara raha azo hisaina ny tsiky amin’izany
Herisetra, habibiana, fankahalana
Ireo rehetra ireo no manjaka tsy azo ialana

Lotika, boboka, leo; tsy te hierika intsony
Tsy te handian-tany fa te hisidina eny ambony
Satriko ho nofy , tsy manam-pahatamperana
Ny androko rehetra sisa tiako mba hiserana

Izaho ve no ratsy sa!Izao no efa lahatra sy anjara
Tsy mitsiky amiko intsony ny voahary fa voarara
Izaho ve no jamba? Tsy mahita ny andro mibaliaka
Ka toa miteniteny foana toy ny olona mivika

Tiako raha nahay niverina aho, namafa ireo lasako
Nataoko ho tsy niserana tamin’ iny lalana ny tenako
Nofafako, nodriatiko, ireo nampitondra ratra sy tomany
Saingy indrisy! Izany hono no “fiainana eto an-tany”

Maeva74(11 jiona 2010)
--------
Rohy:
2477 5
Hevitra mandeha
tsial ( 18/06/2010 03:18)
Maeva oh! Kanto loatra ny asa-soratrao, ka mampitroatra ny aingam-panahiko; misaotra anao nizara dia rahoviana indray vao hotohizana ilay Fitia an-tsokosoko fa sasa-miandry izahay mpankafy?


Ekena,
Fa ny hetraketraky ny tany
No anton'izany;
Saingy,
Tsy ianao irery akory
No mahatsiaro ho tena ory.
Zovy,
Ary firifiry akory
Ireo izay tsy mahita tory?
Angamba,
Raha alahatra!
Tafakatra eny Ankaratra.
Mifalia!
Fa sambatra ianao,
Mbola eto hatramin'izao.
Dia mitsikia!
Dia miravoa sy mifalia,
Satria,
Atolotro ho anao ity tononkalo ity.


maeva74 ( 18/06/2010 10:38)
Lafatra koa ny valin- kafatr' i Tsial dia mankasitraka hatrany e!
Tsy ho ela dia hitohy ka fa mbola sahirana kely aho @ zao
MOUSTE ( 06/05/2014 13:55)
Salama eh

Izaho io koa dia miandrandra fatratra ny tohin'ny FITI AN-TSOKOSOKO , fa kanto loatra iny ; eo moa mba omeo eh

Mouste
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152