You are here: home > Vetso

Dada! - maeva74

Azo vakiana?

Amin' izao fetin' ny Ray izao dia faly miarahaba anareo Ray rehetra

Dada!
Dada, ilay teny voatonoko
fony vao nahay niteny aho.
Dada, ilay nandrotsirotsy ahy
rehefa injay harivariva
avy niasa iny,
nampitony ny tarainako
nampihena ny fanaintainako.
Dada, ilay tsy atakaloko
Tiako sy malalako.

Dada!
Dada, ilay nisahirana
nifoha maraina isan' andro,
nikaroka ireo manahirana.
Dada, ilay mpiharo
tamin' ny rehetra
ilay mibedy, raha vao tsy mody
tamin' ny ora voafetra.
Dada, ilay fiantahantana
Mamiko tsy ampisalasalana

Dada!
Dada, ilay nitrerona mahery
na dia naharary aza
ireo teny voatononao,
dia niova ho safosafo izany
ho anay zanakao.
Dada,ilay mpitondra hafaliana
tamin' ny androm-pahoriana
Dada, ilay fiadanam- poko
vonon-kiheno ireo tolokoko

Dada tiako ianao
Maeva74 (16 jiona 2010)

Hametraka hevitra

Midira aloha