Ho avy aho (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho avy aho

Hipaika injay ilay ora,
niandrasako hatrizay,
ny ho eo anilanao
sy hamihina anao
......Indray.
Ireo ratsa-tanako
tsy analana tsy miampy
no hany sisa hisaiko
dia eny anilanao aho
ny hitoetra r' Isombinaiko.
Ny hanina anao
.......Mafy,
ka mila tsy ho tanty
Tsy ho nofy intsony
Eny! Ho avy aho.

Iny habakabaka iny
no hovakivakiko
afaka fotoana foy,
handray ireo
ratsan-tanĂ nao
.......Indray
ireo ratsako,
hibitsika eo am-poton-tsofinao
......koa
ireo molotro,
handinika ny masonao
tokoa ny jeriko,
hamihina anao
.....Mantsy ny sandriko.
Faly aho
Eny! Ho avy aho

Iny volon-danitra iny
....mantsy
ilay nilaza tamiko
ny hamonjy anao any.
Manina aho izany;
ka latsa-tsento sy tomany,
mila tsy ho andriko
ilay ora iray hiandrasako
mba hanoroako anao
.....hibitsika aminao,
ilay kalokalon'ny fitiavako
ny hiampofo anao,
hiantsampy aminao
.....indray
ny maha-mety ahy
ho tony aho
...... Ry Zanako, ry Malalako, ry taniko
Eny! Ho avy aho

Nandrianina Maevatiana ( 19-11-2010)

Maeva74
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1808 2
Mpakafy: maeva74 - Maevatiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141