You are here: home > Vetso

Iny takariva iny, ilay takarivan-tsika roa - maeva74

Azo vakiana?

Iny takariva iny,
'lay takariva nody masoandro
Teny isika no nikalo
'lay kalokalon'ny fitia
Nivoady ny hiara-dia
nilokaloka ny ho doria

Iny takariva iny
' lay takarivan-diavolana
Revo teo izaho sy ianao
nihirahira, nakafy
ny hatsaran' ny zava-boahary
sy ny siotsiokam-borona

Iny takariva iny mantsy
'lay fotoana nolalovana
ora niombonan-tsika
hamakivaky anaty fiainana
Tao ny ratsy tao ny soa
nilomanosa-ntsika roa

Iny takariva iny
'lay takariva nody masoandro
'lay takarivan-diavolana
'ilay takariva nolalovana
'ilay takarivan' ny fitia
dify mantsy izy izay

Iny takariva iny

Maeva74 ( 10 oct 2010)

Hametraka hevitra

Midira aloha