Neny (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anão Ry Neny!!!

Atolotro ho an´ny Reny rehetra ity tononkalo ity!!

Ianao ry Neny, ilay tsy haiko ho adinoina
Ny fitiavanao , avo mihoatra noho ny hafa
Ianao ilay nanome aina, ho anay taranakao
N´inona n´inona, n´iza n´iza ??
Tsy ahasolo ny fitiavanao

Voninkazo kely, izay mba notsongoiko
No hany voarambiko teo an-jaridaina
Mba natokako ho anao
Amin´izao fetinao izao
Neny tiako ianao, eny tena tiako

Tsinjoko ny endrikao, mandinika ireto zanakao
Tebiteby isan´andro, no iananao
F´andrao voafingana izahay
Menaky ny ainao.
Ny avo anie homba anao.

Tsy hitako ny teny mety ahasolo
Ny hoe “ Tiako ianao” mba ho anao
Ny foko mihitsy no hamboraka ny fitiavako
Neny mamiko sy tsy foiko
Hivavaka aho mba ho anao.
Maeva74
--------
Rohy:
3712 4
Hevitra mandeha
nyratsima ( 29/05/2010 16:26)
misaotra Maeva an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152