NY nofiko (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny nofiko

Ny nofiko hoy ianao ?
Ny nofiko dia izao!

Ny tanako maniry ny hanafosafo anao
Ny molotro maniry hikasika amin’ ny anao
Ny vatako ???? Mba maniry koa ny ho eo anilanao

Ny nofiko hoy ianao ?
Ny nofiko dia izao!

Ny masoko maniry hifantoka amin’ny endrikao
Ny tsikiko maniry hiantefa eny aminao
Ny vatako ???? Mba maniry koa ny hikasoka amin' ny anao


Ny nofiko hoy ianao ?
Ny nofiko dia izao!

Ny eritreritro maniry ho tonga any aminao
Ny vinavinako maniry ho fantampatantrao
Ny vatako ???? Mba maniry koa ny hiantsampy eny aminao

Izay ilay nofiko

Maeva74
Brésil, mai 2009
--------
Rohy:
2053 6
Hevitra mandeha
endrika01 ( 21/06/2009 10:30)
Ny nofiko hoy ianao
ny nofiko dia izao

Maniry anao ho namana,
tsy hanosi-bohon-tanana!
maeva74 ( 27/06/2009 13:36)
Izay aky ilay nofiko ry Endrika an!
endrika01 ( 28/06/2009 08:21)
Milay izany é!
lilyrose ( 28/06/2009 19:14)
Mahafinaritra sy tiako ilay nofy, raha sanatria ka nofy tokoa mantsy izao tontolo izao an!
Nirilala ( 30/06/2009 08:16)
Ny nofiko hoy ianao?
Ny nofiko dia izao

Ho avy hamangy ahy ilay namako iray mahalala ny tantarako
Ilay nampahery foana fa mbola any ilay anjarako
Dia asaiko ataony tonokalo indray ny fahasambarako

Nirilala ( 30/06/2009 09:40)
Ny nofiko hoy ianao?
Ny nofiko dia izao!

Hiampita ranomasina aho hitsidika azy any
Fa ilay nampitraka indray izao no mitomany
Mandalo fisedrana, tsy misy toy izany

Ny nofiko hoy ianao?
Ny nofiko dia izao!

Tsy hitolefika izy, fa hitsangana, hijoro
Tsy hahasafotra azy izay fitiavana mikoro
Ho vitany ny sedra, hataony torotoro

Izay ilay nofiko sady tonom-bavako
Momba ilay namako
fahamarinana ( 11/08/2009 13:41)
hummm ! Ary tsara ila nofy ry Maeva an ! Dia tiako koa ny Tononkalon'ny nirilala !Manafi-talenta ireto namako reto ! hihi
Faha
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152