EZAKA VE SA….? (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza ny fetran’ny fahalalako?
Hatraiza ny fetran’ny androko sisa?
Ny miezaka ve mety ho fahadalako?
Tsia, hoy ny saiko mba mamisavisa…

Nahoana ny sasany no tafita lavitra,
nefa ‘ty zaho tsy mba mety mivoatra,
izay mba mitozo, milofo, maharitra,
ny ezaka ao anatin’ny foko mitroatra?

Moa ny fiainana misy mpanendry
hoe: “ Ianao dia ataoko ambany”?
Moa tsy anjarako ny mba mikendry
izay ho fiainako indray andro any?

…………………………………

Inoako anefa fa misy ny ahy
iankinan’ny hoaviko ho tsara dia tsara.
Satria aho mantsy ho lasa fanahy,
Ka dia miankina amiko ny ho tsara fiafara.....

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1554 0
Hevitra mandeha
osrabn ( 05/05/2005 21:00)
Teo am-pieritreretana ny tsy fahombiazana rehetra nandalo teo amin'ny fiainan'ny mpanoratra no nanoratana ity tononkalo ity. tany amin'ny taona 1998 no nanoratana azy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014