You are here: home > Vetso

Onom-po! - MAHAFALY Barson Lahivelo

Azo vakiana?

Na hiezaka ahoana
Amin'izay sisa izay
Dia tsy hisy hamenoana
Irony banga 'zay tsy hay

Fa hany sisa azo atao
Dia ny mampionom-po
Ka aoka tsy handazo anao
Irony lasa efa lo

Fa....................................

Mivonona ny hamerina
Amin'ny manaraka indray
Fa ny lasa tsy miverina
Mivalona ho mandrakizay

MAHAFALY Barson Lahivelo

Sokajy : Fiononana

Hevitra mandeha

osrabn (05/05/2005 22:44:11)

Ity tononkalo ity dia voasoratra tany amin'ny taona 1997 teo am-panatrehana ny fanadinana "baccalaureat". Onom-po fa tsy onon-tsaina nanoloana ny tsy fahombiazana izay efa hitan'ny mpanoratra fa maintsy hiseho eo amin'ny voka-panadinana no nahatonga azy nanoratra izao tononkalo izao. Azo am-piharina eo amin'ny lafi-piainana maro samy hafa ihany koa anefa izany fiononana izany. Hoy ny Ntaolo: " Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe?"

bichette (30/05/2005 14:42:39)

misaotra anao ny amin'ity tononkalo ity fa mampieritreritra ary mampahery

Hametraka hevitra

Midira aloha