Raha mba azoko natao... (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba azoko natao…

Maria…

Raha mba azoko natao
Ny nanoroka anao
Na dia indray mandeha ihany
Dia ho nataoko izany

Raha mba azoko natao
Ny namihina anao
Na dia indray mandeha ihany
Dia ho nataoko izany

Raha mba azoko natao
Ny nisakambina anao
Na dia indray mandeha ihany
Dia ho nataoko izany

Raha mba azoko natao
Ny nanafosafo anao
Na dia indray mandeha ihany
Dia ho nataoko izany

…………………….

Nefa indrisy tsy azo atao
Ny hanao ireo aminao
Na dia indray mandeha ihany
Izaho tsy hanao izany…

…sanatria

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1882 0
Hevitra mandeha
andriary ( 25/05/2005 13:59)
lay fitiavana tosiky ny fo !hita fa tena nanamarika ny fiainanao mihitsy maria matoa hita ato anaty tonokalo!tsara!amiko azonao atao tsara ny tia an'i maria na dia ....tiavo mangina dia ho fantatrao ny faritry ny atao hoe fitiavana fa IZAO TONTOLO IZAO

zazake ( 30/05/2005 16:47)
Tena hita miharihary sy misongadina manerana ny tonkalonao izay tiako fa olona be fitiavana sy olon'ny fo ianao nefa izay ny fianana dia mahaiza mampitony ny fo resin'ny fitiavana ....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133