ezaka vesa...? (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza ny fetran'ny fahalalako?
Hatraiza ny fetran'ny androko sisa?
Ny miezaka ve mety ho fahadalako?
Tsia, hoy ny saiko mba mamisavisa.

Nahoana ny sasany no tafita lavitra,
nefa 'ty zaho tsy mba mety mivoatra,
izay mba mitozo, milofo, maharitra,
ny ezaka ao anatin'ny foko mitroatra?

Moa ny fiainana misy mpanendry
hoe: " Ianao dia ataoko ambany"?
Moa tsy anjarako ny mba mikendry
izay ho fiainako indray amdro any?

.....................................................

Inoako anefa fa misy ny ahy
iankinan'ny ho aviko ho tsara dia tsara.
Satria aho mantsy ho lasa fanahy
Ka dia miankina amiko ny ho tsra fiafara.

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1317 1
Hevitra mandeha
toetra ( 18/05/2005 21:36)
Tsara ny gadona ka mora vakiana.
Mafonja ny votoatin-kevitra ka tohizo.
osrabn ( 19/05/2005 18:27)
Misaotra betsaka an'i Toetra amin'ny famporisihana sy ny hevitra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103