Tsy sasatra aho... (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY SASATRA AHO.....

Tsy sasatra aho manoratra
Manoratra aminao
Ny saiko e misokatra
Toa mahita atao

Tsy sasatra aho miteny
Miteny aminao
Ilay fitiavako, eny,
Fitia ho anao

Tsy sasatra aho milaza
Milaza aminao
Na dia tsy sahaza
Izao ataoko izao

Tsy sasatra aho mamerina
Mamerina aminao
Tsy hoe miala-nenina
Fa tia tsotra izao

Tsy sasata aho mitory
Mitory ilay fitia
Satria mampahory
No sady mankahia
Raha koboniko ao
Anaty foko ao

Tsy sasatra aho mandefa
Mailaka ho anao
Na dia tsy mahefa
Satria voababonao

Tsy sasatra aho mikalo
Mikalo anao an-kira
Raha toa ianao mandalo
Ka toy ny ranontsira...

Tsy sasata aho miandry
Ny valinteninao
Na dia tsy tafandry
Fa lasa any aminao
Ny vetsoko rehetra
Mahatonga ahy ho adala
Satria tsy misy fetra
Ny aiko no miala

Nefa tsy sasatra aho....

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1838 0
Hevitra mandeha
zazake ( 30/05/2005 16:52)
Misaotra anao amin'ilay tononkalo tena tsara ary zavatra efa tsapako tamin'ny fianako izany fitiavana diso paika hoy aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153