Gasy aho hatrany hatrany (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GASY AHO HATRANY HATRANY

Gasy aho, Gasy hatrany
raha tany koa ny tany.
Gasy aho, tsy azo ovana.
Gasy aho, tsy haiko ialana.

Na hatao an-taratasy
hoe izaho tsy Malagasy,
tsy hisy heriny izany.
Fa Gasy aho Gasy hatrany.

Gasy aho ,Gasy reny,
Gasy fomba sy fiteny.
Gasy aho, Gasy ray,
Gasy aho mandrakizay.

Gasy aho, teratany.
Tsy azoko ovana izany.
Fa tena, saina , fo, fanahy
no maha-Malagasy ahy.

Gasy hatrany an-tampondoha,
eny hatramin’ny pataloha,
ny momba ahy manontolo
hoho, nify, maso, volo.

Ka…

n’iza n’iza hanazimba,
n’iza n’iza te-hanimba,
Gasy aho mandra-maty,
‘zay no voadiko anaty.

N’iza n’iza hankahala,
n’iza n’iza hanadala,
Gasy aho, ampy izay.
Gasy tena ranoray.

N’aiza n’aiza hisy ahy,
na any an-tobin’ny fanahy,
dia Gasy aho, ho Gasy foana.
Tsy azo ovana na soloana.

N’inon’inona hitranga,
n’inon’inona ho banga,
na hisedra fahasarotana,
Gasy aho, tsy azo ongotana.


Na ho tapahina ny lohako,
hesorina ny patalohako
mba hisehoan’ny fitanjahako,
ny “Gasy aho” dia ho tanako.

Na hotifirina, hodorana,
na ho kapohina, fatorana,
na dia helohina ho faty,
na fampijaliana tsy tanty,

na henjehina, ho vonoina,
dia tsy haiko hadinoina
fa Gasy aho, Gasy hatrany,
eny hatrany an-danitra any…

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129