You are here: home > Vetso

Tsy ekena intsony - manantena

Azo vakiana?

Tsy ekena intsony
Ny asa famoretana
Ataon'dry lerony
Ka andao hiara-hientana

Tsy ekena mihitsy
Ny jadona ataony
Isika tsy hitsitsy
Hiaraka hanongana

Tsy ekena koa
Ny fanjakan'olo-tokana
Izay mahavoa
Ny firenena hitotongana

Ho lavintsika daholo
Ireny rehetra ireny
Hazera manontolo
Fa mpitondra tsy mamely

Hametraka hevitra

Midira aloha