Mitady anao - manantena
Azo vakiana?
Mitady anao hatraiza hatraiza
Ity foko kely ry sakaiza
Miherika etsy sy eroa
Sao ianao mba eny koa
Fa tiako ianao ry olona iny
Ary angamba tsy ho tsiny
Ny hamboraka aminao
Ilay fitia anatiko ao
Ka n'iza hisakana n'iza handrara
Ny fitiavantsika roa
Tsy hanova ny tantara
Fa ho gina eo avokoa
F'efa ianao no anjara
Sy safidin'ity foko
K'avelao aho hanambara
Izany vetsovetsom-poko
Fa ny fitiavako rehetra
No atolotro ho anao
Fa tiako ianao tsy misy fetra
Tiako fotsiny amin'izao
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12Daty : 29/01/2009
Mpamangy : 1109
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Manimaninaizaho irery
Tsiaro anao
Tsy maninona
Indraindray
Mahantra hoy ianao ny Malagasy
Aza kivy
mbola ho avy ny maraina
Fanehoam-pisaorana
Tsy tsapanao