sentosento (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sentosento lalandava
No fiainako hatrizao
Alahelo tsy misava
Raha vao mahita anao

Izato endrikao sariaka
Sy ny tsikinao malefaka
Zary masoandro mibaliaka
Hisintona ahy hiresadresaka

Izao anefa toa tsy sahy
Ny hiresaka aminao
Matahotra aho, tsy haiko angaha
Ndrao mantsy ho lavinao

Menatra aho ny hamboraka
Ilay fitiavako aminao
Manahy aho tsy sahy miantoraka
Ndrao mantsy ho lavinao

Satria ianao kanto loatra
Tena meva sady soa
Ka ny foko te hitroatra
Nefa afaka ho aiza moa

Ianao koa mijerijery
Mangata-maso fonafona
Menatra aho tsy sahy miteny
Tsy sahy mangataka fotoana

Ny alokao mantsy anie
Manaraka ahy hatrany hatrany
N'aiza n'aiza no aleha
Dia io ianao eo ihany

Ny hany heriko sisa
Dia mivavaka ho anao
Hahatsapa sy hamisavisa
Ilay fitiavako anao

Dia ho tanteraka ilay voady
Niriako mafy hatrizay
Izaho sy ianao hifanambady
Anio rahampitso rahatrizay
--------
Rohy:
1682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 17/01/2009 08:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161