You are here: home > Vetso

tsy sahy - manantena

Azo vakiana?

Nitsiry irery tato am-poko
ny fitiavako anao
r'ilay tiako sy tsy foiko
nolalaiko hatramin'izao
  tsy sahiko ny namboraka
  ilay fitia taminao
  natahotra aho tsy sahy niantoraka
  sao mantsy ho lavinao

Dia nanjary ratra am-poko
ny fitiavako anao
zary niova ho toloko
sy ratram-pery vaovao
  tsy misy afaka ny hitsabo
  ireo aretiko ireo
  afa-tsy ilay nambabo
  ity foko kely mitoreo

ny hany sisa azoko atao
dia mionona fa tsy anjarako ianao
Ny hitady afa vaovao
Hisolo ny toeranao
  sarotra anefa izany
  hahita afa toa anao
  Satria ianao, inao ihany
  no masaka ao am-poko ao

Hevitra mandeha

katiaa (03/12/2009 21:41:52)

tsara aa fa mampi snif

Hametraka hevitra

Midira aloha