omeo azy aho (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Najanoko any,
Inoako mbola any,
'lay sariko fahiny
adaladala kely,
tantanina mamindra.
Fa ho tiany mantsy,
Ny tsikiko tomany,
'ty mba hany ankany
Toa niseranako tsy satry;
'zary tongom-bakivaky
hay adiadintsika, sendra volana baliaka
Tomefy fijaliana.
Ireny ny tontoloko
tsy hivalon-ko tantara
fa singan'aho iray
any ambadika any.
Izay no tiako ambara
Raha izaho rehetra,
Mba omeo azy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
112 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : myri
Daty : 27/10/2005 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101