Fahatsiarovana (Mi'andry Berantoson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity diam-peniko ity
Ataovy sovenira ho anao
Tononkalo manambara ilay fitia
Tsy mba niafina taminao

Nataoko zao ho fahatsiarovana
Tsy hanadinoina ny efa lasa
Toa mandemy ny saiko efa torovana
Ny mahatsiaro irony taon-dasa

Tiako ianao fa tsy mba hafenina
ka mba diniho tsara sao hanenina
Io fitia io mantsy lakalaka
Mora ny mitia fa sarotra ny maka

Raha manoratra ity aho
Dia tsy hoe akory talentako
Fa kosa hanambarako aminao
Ilay mba tena fitiavako

Ataoko fa ampy angamba zay
Hatsahatro hatreo ny fanoratako
ka ny tiako ambara amin'izay
Dia mba tsarovy lay fitiavako
--------
Rohy:
1322 1
Mpakafy: tmjjah
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139